<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Klug</author>
<hymn_number>659</hymn_number>
<title>Ry hava-malala misaona FFPM659</title>
<lyrics>[V1]
 Ry hava-malala misaona
 Mangina fa mbola hihaona
 Isika sy izy nalaina,
 Raha tonga indray ilay
 maraina.

[V2]
 Ny naman'ny tany ihany
 No mody ho amin'ny tany,
 Ka dia ny fanahy mifindra
 Ho amin'ny Avo indrindra.

[V3]
 Tsy mainsty afafy aloha
 Ny vary vao mety hamoa ;
 Ny faty halevina koa
 Tsy very fa mbola hifoha.

[V4]
 Dia miandrandrà,
 ry mpisaona !
 Ho avy ilay lohataona,
 Ka dia haniry ny voa,
 Izay misy ny ain'ny Tsitoha.

[V5]
 Ho avy ny Tompon'ny aina
 Hiantso ny vovoka maina
 Hitafy ny fahazavany
 Sy hiditra ao am-panjakany.

[V6]
 Faingàna, ry Kristy Mahery,
 Ry Fanantenanay irery,
 Ny fasanay iva tsarovy,
 Ny toky nomenao mba tovy !</lyrics>
</song>